Smart village Bevato

Vonona tanteraka amin’ny fitokanana ny Smart Village eto Bevato.
Fanaraha-maso farany ny lafiny teknika sy ny foto-drafitrasa mialohan’ny hanokanana azy amin’ny fomba ofisialy.
Izay no nataon’ny Ministra RAMAHERIJAONA ANDRIAMANOHISOA androany, niaraka tamin’ny manam-pahefana eto amin’ny faritra Bongolava sy ny Distrikan’i Tsiroanomandidy.
Mitsangana ny foto-drafitrasa ; Mipetraka ary azo ampiasaina avy hatrany ny internet.
Vonona ireo tolotry ny Paositra Malagasy. Vonona ireo tompon’andraikitra hiasa amin’ny birao. Vonona ireo fitaovana : solosaina, tablette, sns…
Tafapetraka tanteraka ny Foto-drafitrasa. Vonona ho amin’ny fitokanana.
Source : Midi Madagascar